TSY TEATRA

Nampidirin'i era | 3 Apr, 2006

Milalao tantara an-tsehatra aho hoy aho fa tsy teatra akory. Gaga ihany ny be sy ny bobaka mahita an'io, fa inona koa ity ??

Ny teatra dia tonga teto amintsika malagasy niaraka tamin'ny fihavian'ny misionera sy ny mpanjanaka ,  fampisehoana amin'ny endrika miharihary ahitana ny tsirairay sy ny anjara asany avy : eo ambony sehatra tarafin'ny jiro, mampiseho fihetsika nambolena ho mihoampampana ny mpilalao, ary ao anatin'ny haizina tsy mana-kambara ny mpijery. Ka raha ny tantara gasy izay efa nananantsika sy ananantsika no aseho ho toy izany dia hitako fa tsy miady satria ny tantarantsika manana ny fototra nihaviany. Noho izany antony izany no nahitako fa raha lalaovina an-tsehatra atao karajia io tantara gasy io dia izay no maneva azy. Izany hoe ny mpilalao tsy irery ary tsy mitady zavatra sy fihetsika lavitra

satria ny fiainana iainany na ny manodidina ireo mpijery ireo ihany no fizotrin'ny tantarany. Hoentiny ireo, iresahany na eo amin'ny fijery na ny fiteny na ny fihetsika, tairiny indray avy eo ary mety laviny arakarak'izay tantara lalaoviny. Izay no lalàny. Ny karajia tsara filalao dia tokony ahafaly ny olon-drehetra. Satria ny tantarantsika dia fiainana eo akaikintsika izay hita, na hodiantsy hita, na ireo adino ny fisiany.