Anjara toeran'ny tantara

Nampidirin'i era | 30 Mar, 2006

Nanana ary mbola manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fiainako ny tantara gasy, hatramin'ny fahazazana ka mandrak'izao efa telo anaka izao. Tsy mpanoratra tantara aho akory fa mpankafy, mpihaino, ary ankehitriny dia lasa milalao tantara an-dapihazo ( tsy teatra an! mbola ho resahako ao aoriana ny hevitro momba io).Ireto misy endrika vitsivitsy niseho teo amin'ny fiainako ka nahatsapako izany tsiron'ny tantara amin'ny teny malagasy izany :

 

 

- tantarain'i dada tantara foronony na angano isan-kariva (marihiko fa tsy nanoratra tantara koa i dada kanefa dia nahita noforonina lava izao isan-kariva), dia rehefa lany paika izy dia

- izahay ankizy indray no mamorona eo am-pitoerana eo tantara izay tonga ao an-doha, indraindray dia toa tsy misy fahataperany fa dia mamoroporona tokoa,

- ny tantara tamin'ny vato, tao daholo na ny kilonjy be na ny bitika indrindra

- ny tantara natao tamin'ny sary no-calquéna tamin'ny modes et travauxn'i Neny, na ireo izay nohetezana tsotra izao

- tany amin'ny fitaizana skoto, sy ny sekoly alahady

- isaky ny mitory teny any am-piangonana i dada  dia tsy maintsy mampita ny hafatra ho mora ho azon'ny ankizy amin'ny alalan'ny  tantara fohy, ka anisan'ny fotoana mampipetraka anay ankizy raha vao hoe izy no mitory teny, raha vao   olon-kafa dia mandeha mivoaka tsikelikely

- tsy maintsy mihaino tantara amin'ny radio isan'andro amin'ny 1 sy dimy aloha vao lasa mianatra, ka raha sendra taraiky ny vaovao amin'ny 12 sy sasany dia efa kivy ambony ihany

- ny tantara indray miseho, indraindray mitohy tao amin'ny radio isak'asabotsy

- ankehitriny dia ny vadiko indray no manoratra tantara, ary ny ankizy dia mitomany hitantarana tantara matetika miaraka amin'ny fihetsika sy fiovan'ny feo