TSY TEATRA

Nampidirin'i era | 3 Apr, 2006

Milalao tantara an-tsehatra aho hoy aho fa tsy teatra akory. Gaga ihany ny be sy ny bobaka mahita an'io, fa inona koa ity ??

Ny teatra dia tonga teto amintsika malagasy niaraka tamin'ny fihavian'ny misionera sy ny mpanjanaka ,  fampisehoana amin'ny endrika miharihary ahitana ny tsirairay sy ny anjara asany avy : eo ambony sehatra tarafin'ny jiro, mampiseho fihetsika nambolena ho mihoampampana ny mpilalao, ary ao anatin'ny haizina tsy mana-kambara ny mpijery. Ka raha ny tantara gasy izay efa nananantsika sy ananantsika no aseho ho toy izany dia hitako fa tsy miady satria ny tantarantsika manana ny fototra nihaviany. Noho izany antony izany no nahitako fa raha lalaovina an-tsehatra atao karajia io tantara gasy io dia izay no maneva azy. Izany hoe ny mpilalao tsy irery ary tsy mitady zavatra sy fihetsika lavitra

 (tohiny)

Anjara toeran'ny tantara

Nampidirin'i era | 30 Mar, 2006

Nanana ary mbola manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fiainako ny tantara gasy, hatramin'ny fahazazana ka mandrak'izao efa telo anaka izao. Tsy mpanoratra tantara aho akory fa mpankafy, mpihaino, ary ankehitriny dia lasa milalao tantara an-dapihazo ( tsy teatra an! mbola ho resahako ao aoriana ny hevitro momba io).Ireto misy endrika vitsivitsy niseho teo amin'ny fiainako ka nahatsapako izany tsiron'ny tantara amin'ny teny malagasy izany :

 

 

 (tohiny)